1 Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora. 

2 Ny fahotan'[fikomian'.] ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian'ny olona manan-tsaina [Na: manan-tsaina sady mahalala rariny.] kosa no mampahateza ny fanjakana. [Na: Fa noho ny manan-tsaina no haharetan'ny fahamarinana.] 

3 Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina. 

4 Izay mahafoy ny lalna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalna dia mirehitra amin'ny fanoherana azy. 

5 Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an'i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra: 

6 Ny malahelo izay mandeha amin'ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin'ny llana miolikolika. 

7 Izay mitandrina ny lalna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin'ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy. 

8 Izay mampitombo ny fananany amin'ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an'izay miantra ny malahelo 

9 Izay manentsin-tadny tsy hihaino ny lalna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana. 

10 Izay mampivily ny mahitsy ho amin'ny llan-dratsy Dia ho lavo amin'ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa. 

11 Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy. 

12 Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra [Na. mitsangana.] kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka. 

13 Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo. 

14 Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza. 

15 Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin'ny olona reraka. 

16 Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona. 

17 Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-dra dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy. 

18 Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin'ny llana miolikolika no ho lavo tampoka. 

19 Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana [Na: ny zava-poana.] ho voky alahelo kosa. 

20 Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina. 

21 Tsy mety raha mizaha tavan'olona; Kanefa na dia amin'ny sombin-kanina ihany aza dia sahin'ny olona hanotana. 

22 Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo. 

23 Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin'ny lelany. 

24 Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka ihany, Dia naman'ny mpanimba. 

25 Izay mierina [Na: miavonavona am-po.] manetsika ady; Fa izay matoky an'i Jehovah dia hohatavezina. 

26 Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin'ny fahendrena no ho afa-miala. 

27 Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be; 

28 Raha misandratra [Na: mitsangana.] ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.
